Colossians 2

1Fa tiako ho fantatrareo ny halehiben’ny tolona nataoko ho anareo, ho an’ireo any Laodikia, sy ho an’ireo maro mbola tsy nahita ny tavako tamin’ny nofo. 2Miasa aho mba hampahery ny fon’izy ireo amin’ny fampiraisana azy ireo miaraka ao amin’ny fitiavana sy ny harena rehetra amin’ny fahalalana azo antoka, ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana miafin’Andriamanitra, izany hoe, i Kristy. 3Ao aminy ny haren’ny fahendrena sy izay fahalalana rehetra no miafina.

4Milaza izany aho mba tsy hisy hitarika anareo amin’ny lahateny mandresy lahatra. 5Na dia tsy miaraka aminareo ao amin’ny nofo aza aho, dia miaraka aminareo ao amin’ny fanahy. Faly aho mahita ny filaminanareo tsara sy ny tanjakin’ny finoanareo an’i Kristy.

6Raha nandray an’i Kristy Tompo ianareo, dia mandehana ao aminy. 7Mifotora mafy aminy, miorena ao aminy, miorena amin’ny finoana izay efa nampianarina anareo, ary mazotoa manome fisaorana.

8Mitandrema mba tsy hamela olona hisambotra anareo amin’ny alalan’ny filozofia na ny fitaka foana araky ny fanaon’ny olona, izay manaraka ny endrik’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i kristy. 9Fa ao Aminy no mitoetra ny fahatsaran’ny tenan’Andriamanitra rehetra.

10Feno ianareo ao Aminy. Izy no lohan’ny hery sy ny fahefana rehetra. 11Tao Aminy ihany koa ianareo no noforaina tamin’ny famorana izay tsy nataon’ny olombelona amin’ny fanesorana ny nofo amin’ny vatana, fa tamin’ny famoran’i Kristy. 12Niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ianareo, ary tao Aminy no nananganana anareo tamin’ny alalan’ny finoana maherin’Andiamanitra, izay nanangana azy tamin’ireo izay maty.

13Fony ianareo maty tamin’ireo fahotana sy ny tsy fahavitan’ny nofonareo famorana, izy no namelona anareo niaraka taminy sy namela antsika tamin’ireo fahotantsika rehetra. [Fanamarihana: misy dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: “ary namela ny fahotantsika rehetra”] 14Nofafany ny rakitsoratrin’ny trosam-panafahana sy ireo fitsipika nifanohitra tamintsika. Nalany izany rehetra izany ary nofantsihiny teo amin’ny hazo fijaliana. 15Nalany ireo hery sy ireo fahefana, ary Izy dia nanao fampisehoana ampahibemaso an’izy ireo, nandresy mihoatra an’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana.

16Koa, aza avela hisy hitsara anareo na amin’ny fihinana na amin’ny fisotroana, na amin’ny andro fety na amin’ny volana vaovao, na amin’ny andro Sabata. 17Izany no alok’ireo zavatra ho avy, fa ny tena izy dia i Kristy.

18Aza avela hisy na iza na iza izay mila ny fanetren-tena sy ny fideran’ny anjely hitsara anareo ka tsy hahazoanareo ny lokanareo. Ny olona toy izany dia miditra amin’ny zavatra hitany ary manjary mieboebo amin’ny fisainan’ny nofony. 19Tsy mihazona ny lohany izy. Izany dia avy amin’ny loha izay nomen’Andriamanitra ny vatana manontolo manerana ireo vanin-taolany sy ny hozany izay manome ka mihazona izany rehetra izany mitambatra; izany dia mitombo miaraka amin’ny fampitomboana nomen’Andriamanitra.

20Raha maty niaraka tamin’i Kristy ianareo tamin’ireo endrik’izao tontolo izao, nahoana ary ianareo no miaina toy ny voatery amin’ny tany: 21‘’Aza mihodina, aza manandrana, ary aza mikasika‘’? 22Izany zavatra rehetra izany dia ho an’ny fahalovana, araka ny torolalana sy ny fampianaran’olombelona. Ireny fitsipika ireny dia manana fahendren’ny fomba fivavahana, ny fanetren-tena izay nataon’ny tenany manokana ary ny fampahoriana ny vatana. Fa izy ireo dia tsy manan-danja amin’ny fanoherana ny fandeferana ny filan’ny nofo.

23

Copyright information for PltULB